Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-18

20 Dia naniraka nankany amin'Israely rehetra Akaba sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela. 21 Ary Elia tamin'izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa hianareo? Raha Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha Baala kosa, manaraha azy. Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.

22 Dia hoy Elia tamin'ny vahoaka: Izaho irery no sisa amin'ny mpaminanin'ny Tompo, fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin'i Baala. 23 Koa omena ombalahy roa izahay, ka ny iray amin'ny ombalahy hofidiny mba ho azy, dia horasainy sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo; ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo koa. 24 Rahefa izany kosa, hiantso ny anaran'ny andriamanitrareo hianareo; izaho kosa hiantso ny anaran'ny Tompo. Ka izay Andriamanitra mamaly amin'ny afo, dia izay no Andriamanitra. Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe: Tsara izany! 25 Dia hoy Elia tamin'ny mpaminanin'i Baala: Fidio ho anareo ny iray amin'ireto ombalahy, ka amboary aloha, fa hianareo no maro, ary antsoy ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.

26 Dia nalain'ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny, dia niantso ny anaran'i Baala izy, hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro, nanao hoe: Ry Baala ô, valio izahay! Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory. Ka nihinjaka teo anoloan'ny otely nataony izy ireo. 27 Nony nitatao vovonana ny andro, nesoesoin'i Elia teo izy ireo, nataony hoe: Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha.

28 Dia niantso mafy tokoa izy ireo sady nitetika ny tenany tamin'ny sabatra aman-defona araka ny fanaony, mandra-piloa-dra ny tenany. 29 Ary nony efa nitsidika ny andro, dia naminany izy mandra-pahatongan'ny fotoana fanolorana ny fanatitra. Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsina kely akory. 30 Izay Elia vao nanao tamin'ny vahoaka hoe: Manatòna ahy hianareo. Nony nanatona azy ny vahoaka, dia namboariny ny otelin'ny Tompo izay efa voarava.

31 Naka vato roa ambin'ny folo Elia, araka ny isan'ny fokon'ny zanak'i Jakoba, ilay niharan'ny tenin'ny Tompo hoe: Israely no ho anaranao. 32 Ireo vato ireo no nanaovany otely ho an'ny anaran'ny Tompo. Rahefa izany nasiany hady manodidina ny otely sahabo hahalany voa famafy indroan'ny famarana; 33 dia nalahany ny kitay hazo, norasainy ny ombalahy, ka napetrany teo ambony kitay hazo. 34 Ary hoy izy: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny sorona dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy izy: Ataovy fanindroany indray izany. Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona. Fa hoy indray izy: Ataovy fanintelony koa izany. Dia nanao izany fanintelony ny olona. 35 Ka nikorotsaka nanodidina ny otely ny rano, dia nasainy hofenoina rano koa ny hady. 36 Nony tamin'ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia nandroso Elia mpaminany, ka nanao hoe: Ry Iaveh Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba ô! aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin'Israely hianao, ary izaho dia mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.

37 Mihainoa ahy, ry Iaveh ô, mihainoa ahy! mba hahafantaran'ity vahoaka ity, fa hianao Iaveh Andriamanitra, ary hianao ihany no mampiverina ny fon'izy ireo indray. 38 Dia latsaka tamin'izay ny afon'ny Tompo ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany, ary ritrany ny rano tamin'ny hady!

39 Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia niankohoka tamin'ny tany nanao hoe: Iaveh ihany no Andriamanitra, Iaveh ihany no Andriamanitra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0596